Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-10

25 Vao niditra Piera, dia notsenain'i Kornely, ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy. 26 Fa nasain'i Piera nitsangana izy, nataony hoe: Mitsangàna, fa olona ihany aho. 34 Dia niloa-bava Piera ka nanao hoe: Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra:

35 fa izay matahotra azy sy manao ny marina, dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy. 44 Mbola miteny eo i Piera no nidina tamin'izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina,

45 ka talanjona fatratra ny mpino voafora tonga teo niaraka tamin'i Piera, nahita fa nidina tamin'ny jentily koa ny fanomezan'ny Fanahy Masina, 46 satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an'Andriamanitra izy ireo. 47 Dia hoy Piera: Azo lavina tsy hatao batemy amin'ny rano va ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto? 48 Koa ireo nasainy hatao batemy amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompo; izy kosa nangatahin'ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0254