Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-10

34 Dia niloa-bava Piera ka nanao hoe: Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra:

35 fa izay matahotra azy sy manao ny marina, dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy. 36 Nampitondra teny tamin'ny zanak'Israely izy, mba hanambara fiadanana amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, izay Tompon'izao rehetra izao. 37 Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran'i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian'ny batemy notorin'i Joany: 38 dia ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon'ny demony, satria nomba azy Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1153