Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-10

34 Dia niloa-bava Piera ka nanao hoe: Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra:

37 Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran'i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian'ny batemy notorin'i Joany: 38 dia ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon'ny demony, satria nomba azy Andriamanitra. 39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra nataony tany amin'ny tanin'ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny izy nahantony tamin'ny hazo; 40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa izy tamin'ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, 41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona efa voatendrin'Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinanan sy nisotro taminy; rahefa nitsangana tamin'ny maty izy. 42 Izy nandidy anay hitory amin'ny vahoaka sy hanambara fa izy no voatendrin'Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty. 43 Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin'ny anarany no ahazoan'izay rehetra mino azy famelan-keloka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795