Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-13

26 Ry rahalahy taranak'i Abrahama, sy ireo matahotra an'Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao,

27 satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala azy, ka nahatanteraka ny tenin'ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata, tamin'ny nanamelohany azy; 28 ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana azy tamin'i Pilaty. 29 Tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba azy, vao nesoriny tamin'ny hazo izy, ka naleviny tao am-pasana. 30 Fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty. 31 Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema izy, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny vahoaka ankehitriny. 32 Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin'ny razantsika, 33 fa notanterahin'Andriamanitra tamintsika zanak'izy ireo izany, tamin'ny nananganany an'i Jesoa tamin'ny maty, araka izay voasoratra amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako hianao; izaho no niteraka anao androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1091