Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-13

14 Fa izy ireo kosa niala tany Perjy, dia tonga tany Antiokia any Pisidia, ary niditra tao amin'ny sinagoga izy tamin'ny andro sabata, ka nipetraka teo. 43 Rahefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny proselita nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin'izy ireo sy namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44 Tamin'ny sabata nanaraka, dia saika tafangona hihaino ny tenin'Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra. 45 Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain'i Paoly no nanevateva azy. 46 Tamin'izay Paoly sy Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho hianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin'ny jentily izahay. 47 Fa toy izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nantsangako ho fahazavan'ny jentily hianao, mba hitondra famonjena hatramin'ny fara vazan-tany. 48 Faly ny jentily nony nandre izany, ka nankalaza ny tenin'ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay. 49 Dia niely eran'izany tany izany ny tenin'ny Tompo.

50 Nefa notarihin'ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin'ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an'i Paoly sy Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin'ny taniny. 51 Tamin'izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga an'ireo, dia lasa nankany Ikonioma, 52 ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0393