Toko faha-13
22
Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan'izy ireo,dia ilay nankatoaviny tamin'ny teny hoe: Efa hitako Davida zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra.
23
Avy tamin'ny taranany no namoahan'Andriamanitra an'i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an'Israely.
24
Talohan'ny nahatongavany anefa, dia Joany no nitory batemim-pibebahana tamin'ny vahoaka Israely rehetra;
25
ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian'i Joany, dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako izy, ka tsy mendrika ny hamaha ny kofehin-kapany akory aho.
26
Ry rahalahy taranak'i Abrahama, sy ireo matahotra an'Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao,