Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-13

22 Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan'izy ireo,dia ilay nankatoaviny tamin'ny teny hoe: Efa hitako Davida zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra. 23 Avy tamin'ny taranany no namoahan'Andriamanitra an'i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an'Israely. 24 Talohan'ny nahatongavany anefa, dia Joany no nitory batemim-pibebahana tamin'ny vahoaka Israely rehetra; 25 ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian'i Joany, dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako izy, ka tsy mendrika ny hamaha ny kofehin-kapany akory aho. 26 Ry rahalahy taranak'i Abrahama, sy ireo matahotra an'Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476