Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 13, 26-33,

       <26Ry rahalahy taranak'i Abrahama, sy ireo matahotra an'Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao, 27satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala azy, ka nahatanteraka ny tenin'ny mpaminany izay vak├Čna isan-tsabata, tamin'ny nanamelohany azy; 28ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana azy tamin'i Pilaty. 29Tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba azy, vao nesoriny tamin'ny hazo izy, ka naleviny tao am-pasana. 30Fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty. 31Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema izy, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny vahoaka ankehitriny. 32Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin'ny razantsika, 33fa notanterahin'Andriamanitra tamintsika zanak'izy ireo izany, tamin'ny nananganany an'i Jesoa tamin'ny maty, araka izay voasoratra amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako hianao; izaho no niteraka anao androany. >