Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-14

5 Efa nivonon-kanala baràka sy hitora-bato ny Apostoly ny jentily sy ny Jody mbamin'ny lehibeny; 6 saingy reny izany, ka lasa nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaonia, ary tamin'ny tany rehetra manodidina izy ireo, dia nitory ny Evanjely tany. 7 Tany Listra, nisy lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy mbola namindra, fa nipetraka hatrany hatrany.

8 Nihaino an'i Paoly nitory teny izy io, ary nibanjina azy Paoly, ka nahita fa nino izy fa ho sitrana, 9 dia hoy izy tamin'ny feo mahery: Mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotra ralehilahy, ka namindra. 10 Nony hitan'ny vahoaka ny nataon'i Paoly, dia niantso mafy tamin'ny fitenin'i Likaonia izy nanao hoe: Andriamanitra maka endrik'olona no nidina nankaty amintsika. 11 Dia Barnabe moa nantsoiny hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpandaha-teny. 12 Mihoatra noho izany, ny mpisoron'i Jopitera takaikin'ny tanàna mbamin'ny vahoaka aza, dia efa nitondra ombalahy sy fehiloha teo am-bavahady mihitsy, ka nikasa hanao sorona. 13 Fa nony nandre izany ny Apostoly Barnabe sy Paoly, dia nandriatra ny akanjony, ka nandroso teo afovoan'ny vahoaka niantso mafy hoe: 14 Nahoana, ry olona, no dia manao izany hianareo? Izahay dia olombelona toa anareo ihany, ka ny mitory aminareo no anay, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao, sy hanatonanareo an'Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin'ny zavatra rehetra ao amin'ireo. 15 Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin'ny làlana tiany izy; 16 kanefa tsy nitsahatra ny nanisy vavolombelona hanambara ny tenany mandrakariva tamin'ny soa nataony, dia ny mandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra, ny mahavokatra ny tany amin'ny fotoana ka mahavoky hanina antsika, sy mahafeno hafaliana ny fontsika. 17 Fa na dia izany aza no tenin'izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy. 18 Tamin'izay dia nisy Jody tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, nanome fo ny vahoaka, ka nitora-bato an'i Paoly izy ireo, sy nitarika azy ho any ivelan'ny tanàna, satria nataony ho efa maty izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1842