Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 15, 1-6,
Ady hevitra ny amin'ny famorana - Fivoriana lehibe tao Jerosalema.

       1Ary nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny Lalàn'i Moizy hianareo, dia tsy ho voavonjy. 2Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin'ireo Paoly sy Barnabe, dia izao no hevitra nifanarahana: hiara-miakatra any Jerosalema Paoly sy Barnabe, ary ny sasany amin'izy an-daniny, handinika amin'ny Apostoly sy ny Pretra ilay zavatra niadiny hevitra. 3Dia naterin'ny fiangonana teny ho eny izy ireo, vao nanohy ny diany namaky an'i Fenisia sy Samaria, nitantara ny nibebahan'ny jentily, ka nahafaly indrindra ny rahalahy rehetra izany. 4Nony tonga tany Jerosalema izy ireo, dia noraisin'ny Eglizy sy ny Apostoly mbamin'ny Pretra, ary nilaza ny zava-dehibe nataon'Andriamanitra taminy. 5Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisiana, ka nanao hoe: Tsy maintsy hoforana ny jentily, sy didiana hanaraka ny Lalàn'i Moizy.
       6Dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba handinika izany raharaha izany, >