Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-16

1 Dia tonga tany Derbe sy Listra izy, ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timote, zanaky ny vehivavy jody sady mpino, fa ny rainy no jentily.

2 Tsara laza tamin'ny rahalahy tao Listra sy Ikonioma izy, 3 ka tian'i Paoly hoentina miaraka aminy; dia nalainy izy ka noforany, noho ny Jody izay nitoetra tamin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentily ny rainy. 4 Ary raha nitety ny tanàna izy ireo, dia nasainy hotandreman'ny olona ny didy navoaky ny Apostoly sy ny Pretra tany Jerosalema. 5 Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan'andro. 6 Nony avy nitety an'i Frijia sy Galatia izy ireo, dia noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin'Andriamanitra any Asia.

7 Efa tonga tany Mizia izy, sy efa niomana ho any Bitinia, nefa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesoa, 8 ka nandalo faingana an'i Mizia, dia lasa nankany Troasy. 9 Nony alina, nahita tsindrimandry Paoly: indro nisy lehilahy anankiray nitsangana teo anatrehany, ka nihanta taminy nanao hoe: Mità mankatý Masedonia, ka vonjeo izahay. 10 Ary rahefa nahita izany izy, dia nitady hankany Masedonia haingana izahay, satria nahalala marina fa nantsoin'Andriamanitra hitory ny Evanjely amin'ny olona any.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.214