Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-17

15 Niaraka tamin'i Paoly hatrany Atena ry zareo nanatitra azy; rahefa izany dia nohafaran'i Paoly handefa an'i Silasy sy Timote hanatona azy faingana izy ireo, dia lasa.

18 Nisy filozofy sasany tamin'ny Epikoriana sy ny Stoisina niady hevitra taminy koa. Hoy ny sasany: Inona re no tadiavin'io mpibedibedy io e? Ary hoy kosa ny sasany nandre azy nitory an'i Jesoa sy ny fitsanganana amin'ny maty: Toa mitory andriamani-baovao izy izany. 22 Dia nitsangana teo afovoan'i Areopaza Paoly ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako amin'ny zavatra rehetra etoana fa olona fatra-pivavaka loatra hianareo.

23 Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo, dia nahita otely anankiray misy izao soratra izao: Ho an'ny Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no toriko aminareo: 24 Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no tompon'ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon'ny tànan'ny olona fotsiny no itoerany. 25 Tsy mba tompoin'ny tanan'olombelona izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa izy aza no manome an'izao rehetra izao ny aina sy ny fofon'aina, ary ny zavatra rehetra. 26 Avy tamin'ny olona iray no nampihaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon'ny tany rehetra, ary izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy, 27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza izy; 28 fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan'ny mpanao tonon-kira sasany taminareo hoe: Taranany koa isika. 29 Koa raha taranak'Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban'Andriamanitra dia mitovy amin'ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon'ny tànana amam-pahaizan'ny olombelona. 30 Tsy nahoan'Andriamanitra ny andron'ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy hibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin'izao tontolo izao. 31 Satria izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an'izao tontolo izao araka ny rariny, amin'ny alalan'ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan'ny olona rehetra, tamin'ny nananganany azy tamin'ny maty. 32 Nony nandre izany hoe fitsanganan'ny maty izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany.

33 Toy izany no nialan'i Paoly teo amin'izy ireo. 34 Nisy olona vitsivitsy nino sy nikambana taminy ihany anefa; anisan'ireo Denis isan'ny Areopaza, sy vehivavy anankiray atao hoe Damarisy, ary ny sasany hafa koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713