Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-18

23 Ary nony nitoetra kelikely tao izy, dia lasa nitety ny tany Galatia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra. 24 Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apolo tonga tao Efezy; teraka tany Aleksandria izy io, ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina.

25 Efa nianatra ny làlan'ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-pò, ka nampianatra tsara ny amin'i Jesoa, na dia ny batemin'i Joany ihany aza no fantany. 26 Niteny tamin-kasahiana teo amin'ny sinagoga izy, ka nony ren'i Prisila sy Akilasy, dia nalainy hankeo aminy, nampianariny tsaratsara kokoa ny làlan'ny Tompo. 27 Naniry hankany Akaia izy, ka nankasitrahan'ny rahalahy izany, dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan'ny any azy tsara. Nony tonga tany izy, dia nahavita soa be tamin'izay efa nino noho ny fahasoavana. 28 Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy, nampiharihary tamin'ny Soratra Masina fa Jesoa no Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1289