Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-19

1 Raha mbola tany Korinta Apolo, Paoly kosa tonga tany Efezy rahefa nitety ny faritany ambony tany Asia. Nony nahita mpianatra sasany teo izy,

2 dia nanao taminy hoe: Efa nandray ny Fanahy Masina va hianareo, fony vao nino? Fa hoy izy ireo taminy: Tsy mbola nandre akory aza izahay fa hoe misy Fanahy Masina. 3 Ary hoy izy: Batemin'iza no noraisinareo? Batemin'i Joany, hoy ireo. 4 Dia hoy Paoly: Batemin-pibebahana no nomen'i Joany, fa ilay ho avy ao aoriany, izany hoe, Jesoa no nambarany ho tsy maintsy hinoan'ny vahoaka. 5 Nony nahare izany izy ireo, dia nangataka hatao batemy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo; 6 ary rahefa nametrahan'i Paoly tànana indray, dia nidinan'ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany; 7 tokony ho roa ambin'ny folo lahy izy rehetra. 8 Nony afaka izany, dia niditra tao amin'ny sinagoga i Paoly, ka niteny tamin-kasahiana, ary nampianatra telo volana nilazalaza ny momba ny fanjakan'Andriamanitra tamin'ny lahateny mandaitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811