Ny Asan'ny Apostoly

Toko voalohany

15 Tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan'izy nivory teo) ka nanao hoe:

16 Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an'i Jesoa; 17 fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin'izao fandraharahantsika izao. 20 Ary izany indrindra no voasoratra ao amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, ka tsy honenan'olona akory; ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany. 21 Koa amin'ireo lehilahy niaraka tamintsika tamin'ny andro rehetra nitoeran'i Jesoa Tompo teto amintsika, 22 hatramin'ny nanaovan'i Joany batemy azy ka hatramin'ny andro niakarany any an-danitra, dia aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany tamin'ny maty. 23 Dia nanokana roa lahy tamin'izy ireo izy, dia Josefa atao hoe Barsabasy sy nampiana anarana hoe Ilay Marina, ary Matiasy,

24 ka nivavaka nanao hoe: Tompo รด, hianao no mahalala ny fon'ny olona rehetra, ka asehoy izay voafidinao amin'izy roa lahy ireto, 25 mba hanana anjara amin'izao fandraharahan'ny Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany. 26 Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1045