Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-2

1 Nony tonga ny andron'ny Pentekoty, dia tafavory tao amin'ny trano anankiray izy rehetra,

2 ary tampoka, inay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany, 3 sady nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy, 4 ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin'ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy avy. 5 Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.

6 Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Gaga sy talanjona izy ireo ka vaky nanao hoe: Adre! tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo? 8 Ka ahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy; 9 dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita, sy ny mponina any Mesopotamia, Jodea, Kapadosa, Ponto, Asia, 10 Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin'i Sirena, sy ny vahiny avy any Roma, 11 na Jody na proselita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin'ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon'Andriamanitra isika rehetra?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2091