Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-2

12 Zendana foana izy rehetra fa tsy nahita izay antony, ka nifampilaza hoe: Inona re no hevitr'izao e? 13 Fa ny sasany kosa naneso nilaza hoe: Mamon-divay vaovao ry zareo. 14 Tamin'izay, dia nitsangana niaraka tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Piera ka nanao antso avo tamin'ireo hoe: Ry Jody sy hianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin'ny teniko.

15 Tsy mamo araka ny hevitrareo akory ireo olona ireo, fa vao amin'ny ora fahatelo ihany izao ny andro. 16 Fa izao hitanareo izao no ilay nambaran'ny mpaminany Joely hoe: 17 Amin'ny andro farany, hoy ny Tompo, dia handrotsahako amin'ny nofo rehetra ny Fanahiko, ka hahita tsindrimandry ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hanonofy ny antidahinareo; 18 eny, amin'izany andro izany dia handrotsahako amin'ny mpanompoko ny Fanahiko, ka haminany izy ireo na lahy na vavy. 19 Hampiseho fahagagana eny amin'ny habakabaka ambony aho, sy famantarana etý amin'ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka. 20 Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan'ny hahatongavan'ny andron'ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza; 21 ary na iza na iza no hiantso ny anaran'ny Tompo amin'izay, dia ho voavonjy. 22 Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin'Andriamanitra teo imasonareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo,

23 dia natolotra araka ny lahatr'Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana sy novonoinareo tamin'ny tànan'ny ratsy fanahy; 24 fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty sy nahafaka azy tamin'ny fatoran'ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan'izany azy, 25 araka ny voalazan'i Davida ny aminy hoe: Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo an-kavanako izy mba tsy hihozongozona aho. 26 Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin'ny fanantenana, 27 fa tsy ho foinao ao amin'ny fitoeran'ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lò ny Masinao. 28 Nampahafantatra ahy ny làlan'aina hianao, ary nameno hafaliana ahy amin'ny fampisehoana ny tavanao amiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.079