Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-20

17 Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an'ireo Pretran'ny Fiangonana.

18 Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany; 19 fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren'ny Jody ahy. 20 Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo am-pahibemaso sy isan-trano. 21 Nambarako tamin'ny Jody sy tamin'ny jentily ny fanatonana an'Andriamanitra amin'ny fibebahana sy ny finoana an'i Jesoa Tompontsika. 22 Ary ankehitriny indro teren'ny Fanahy hankany Jerosalema aho; nefa tsy fantatra izay hanjo ahy any. 23 Izao ihany no ambaran'ny Fanahy Masina amiko isan-tanàna isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy. 24 Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rahefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin'i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 25 Eny iký, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan'Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo rehetra.

26 Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny amin'ny ranareo rehetra aho, 27 satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitra-pon'Andriamanitra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2055