Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-20

28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo Eglizin'ny Tompo izay novidiny tamin'ny rany. 29 Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry. 30 Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31 Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman'alina nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso! 32 Ary ankehitriny, ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenim-pahasoavany hianareo, dia amin'ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin'izay efa masina rehetra.

33 Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian'olona aho. 34 Fantatrareo fa ireto tànana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain'izay rehetra niaraka tamiko. 35 Nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa hianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin'i Jesoa Tompo manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. 36 Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.

37 Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon'i Paoly ary nanoroka azy, 38 fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin'ny nilazany hoe: Tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo. Dia nanatitra azy hatreny antsambo izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1141