Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-22

3 Ary hoy izy: Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy, teo ambanin'ny saokan'i Gamaliely, nampianarina tsara ny Lalàn'ny razantsika aho, ary nazoto erý ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra izao. 4 Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho, ary namatotra azy na lahy na vavy, sy nampandatsaka azy an-tranomaizina. 5 Ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona rehetra no vavolombeloko; fa nandray taratasy tamin'izy ireo ho an'ny rahalahy aho, dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra izay hita tao ho atý Jerosalema mba hampijalina. 6 Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin'i Damasa, tamin'ilay mitatao vovonana iny ny andro, dia nisy fahazavana lehibe tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.

7 Lavo tamin'ny tany terý aho, sady nandre feo nanao tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? 8 Dia namaly aho nanao hoe: Iza moa hianao, Tompoko? Ary hoy izy tamiko: izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao. 9 Ry zareo niaraka tamiko izany, nahita ny fahazavana ihany, fa tsy nandre ny feon'izay niteny tamiko. 10 Ary hoy izaho: Inona no hataoko, Tompoko? Ka hoy ny Tompo tamiko: Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa, fa any no holazaina aminao ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao. 11 Tsy nahita anefa aho azon'ny famirapiratan'izany fahazavana izany, ka notantanan'izay niaraka tamiko aho, vao tonga tany Damasa. 12 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania izay nanaraka ny Lalàna, sy tsara laza tamin'ny Jody rehetra nonina tao.

13 Tonga nanatona ahy izy ary nitsangana teo anilako nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Niaraka tamin'izay, dia nahita azy aho. 14 Ary hoy izy: Ny Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitra-pony, sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany. 15 Fa hianao no ho vavolombelony hanambara amin'ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao. 16 Ary ankehitriny, inona no andrasana? Mitsangàna, raiso ny batemy, ary mialà amin'ny fahotana, amin'ny fiantsoana ny anaran'i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0982