Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-25

13 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Sezarea Agripà mpanjaka sy Berenisy, hiarahaba an'i Festosa.

14 Naharitra andro maromaro no nitoerany tao, ka nambaran'i Festosa tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly. Hoy izy: Misy mpifatotra anankiray navelan'i Félix eto. 15 Fony aho tany Jerosalema, dia nampangain'ny Jody tamiko izy io, sady nangatahiny hohelohina. 16 Fa hoy ny navaliko azy ireo: Tsy fanaon'ny Romana ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin'ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin'izay iampangana azy. 17 Dia tonga tatý izy ireo, ka tsy nangataka andro akory aho, fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin'ny fitsarana sy nampaka ilay lehilahy. 18 Nony nitsangana ry zareo mpiampanga, dia tsy heloka araka izay nampoiziko no nitoriany azy, 19 fa ady hevitra momba ny fivavahany sy momba an'i Jesoa anankiray efa maty, nefa lazain'i Paoly hoe velona. 20 Tsy hitako be ihany izay hamotorana izany zavatra izany, ka nanontany an-dralehilahy aho sao tiany ny hotsaraina any Jerosalema ny amin'izany. 21 Dia nangataka hotsarain'ny emperora i Paoly, ka nasaiko nambenana mandra-pandefako azy any amin'i Sezara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0584