Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-28

16 Rahefa tonga tany Roma izahay, dia nahazo nitoetra nitokana Paoly, fa miaramila iray no niambina azy.

17 Nony afaka hateloana, dia nampiantsoin'i Paoly ny lohandohan'ny Jody, ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika sy ny fanaon-drazantsika aza. 18 Nony namototra ahy ireo, ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy, dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo; 19 nefa notoherin'ny Jody izany, ka voatery ho nangataka hotsarain'i Sezara aho; tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin'izany. 20 Izany no niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan'Israely ity, no ifatorako amin'izao rojo vy izao. 30 Nitoetra roa taona nipaka tao amin'ny trano anankiray nohofàny i Paoly; ary nandray tsara an'izay rehetra nankao aminy.

31 Nitory ny fanjakan'Andriamanitra sy nampianatra ny amin'i Jesoa-Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy, sady tsy nisy nisakana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1381