Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-2

14 Tamin'izay, dia nitsangana niaraka tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Piera ka nanao antso avo tamin'ireo hoe: Ry Jody sy hianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin'ny teniko.

22 Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin'Andriamanitra teo imasonareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo,

23 dia natolotra araka ny lahatr'Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana sy novonoinareo tamin'ny tànan'ny ratsy fanahy; 24 fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty sy nahafaka azy tamin'ny fatoran'ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan'izany azy, 25 araka ny voalazan'i Davida ny aminy hoe: Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo an-kavanako izy mba tsy hihozongozona aho. 26 Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin'ny fanantenana, 27 fa tsy ho foinao ao amin'ny fitoeran'ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lò ny Masinao. 28 Nampahafantatra ahy ny làlan'aina hianao, ary nameno hafaliana ahy amin'ny fampisehoana ny tavanao amiko. 29 Ry rahalahy, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin'i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany. 30 Fa noho ny maha-mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny teny napetrak'Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin'ny taranany no hapetrany handimby azy amin'ny fanjakany,

31 dia ny fitsanganan'ny Kristy amin'ny maty izay efa tsinjony mialoha no nilazany fa tsy ho foiny ao amin'ny fitoeran'ny maty izy, ary ny nofony tsy ho tratry ny lò. 32 Izany Jesoa izany no natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay rehetra; 33 ary nony efa nakarin'ny tànana an-kavanan'Andriamanitra izy sy efa nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, dia nampidina izany Fanahy izany, araka izao hitanareo sy renareo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1219