Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-2

14 Tamin'izay, dia nitsangana niaraka tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Piera ka nanao antso avo tamin'ireo hoe: Ry Jody sy hianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin'ny teniko.

36 Koa amin'izany àry, aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana iny, no nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. 37 Voatsindron'izany teny izany ny fon'ny olona, ka hoy izy tamin'i Piera sy ireo Apostoly namany: Inona àry, ry rahalahy, no hataonay?

38 Dia hoy Piera tamin'izy ireo: Mibebaha, ary aoka samy hatao batemy amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy hianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. 39 Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an'ny zanakareo, ary ho an'izay rehetra any lavitra any, rahefa mety ho nantsoin'ny Tompo Andriamanitsika koa. 40 Ary nanambara sy namporisika azy tamin'ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin'ity taranaka ratsy ity. 41 Dia natao batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan'ny mpianatra tamin'izany andro izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0833