Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 2, 42-47,

       <42Ary nazoto izy ireo tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin'ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra. 43Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon'ny Apostoly tao Jerosalema, ka raiki-tahotra ny olona rehetra. 44Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra, 45sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarazarainy tamin'izy rehetra, araka izay nilainy avy. 46Nazoto niara-nankao amin'ny tempoly isan'andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, 47niara-nidera an'Andriamanitra sady tsara laza tamin'ny vahoaka rehetra. Ary nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'izy ireo ny olom-bonjena. >