Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-3

1 Ary Piera sy Joany nankao an-tempoly tamin'ny fotoam-pivavahana amin'ny ora fahasivy.

2 Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan'andro sy napetraka teo am-baravaran'ny tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana tamin'izay niditra tao an-tempoly. 3 Nony nahita an'i Piera sy Joany ndeha hiditra ny tempoly ralehilahy io, dia nangataka fiantrana tamin'izy ireo. 4 Nibanjina azy Piera mbamin'i Joany nanao hoe: Jereo izahay. 5 Dia nataony tsara jery izy ireo, fa nanantena hahazo zavatra taminy izy. 6 Fa hoy Piera: Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy avy any Nazareta, mamindrà. 7 Sady noraisiny tamin'ny tànany an-kavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin'izay ny ranjony sy ny tongony, 8 dia niantsambotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin'izy ireo tao an-tempoly namindra sy niantsambotsambotra, ary nidera an'Andriamanitra. 9 Nahita azy namindra sy nidera an'Andriamantra ny vahoaka rehetra, 10 sady fantany tsara fa izy io indrindra no ilay nipetraka teo am-baravaran'ny tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana, ka gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898