Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-3

11 Ary noho izy io tsy niala teo amin'i Piera sy Joany, dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin'izy ireo teo amin'ny lavarangan'i Salomona ka talanjona. 12 Nony nahita izany Piera, dia niteny tamin'ny vahoaka hoe: Ry Israelita, nahoana no gaga amin'izany hianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io?

13 Ny Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilaty, na dia nataony halefa aza izy. 14 Ny Masina sy ny Marina nolavinareo fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. 15 Hianareo namono ny Tompon'ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty, ary izahay ireto no vavolombelon'izany. 16 Noho ny finoana ny anarany no nampahatanjahan'ny anarany an'io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpanapaka anareo; 18 fa notanterahin'Andriamanitra tamin'izany kosa izay voalazany rahateo amin'ny vavan'ny mpaminany rehetra fa hijaly ny Kristy. 19 Koa mivaloza, ary mibebàha, mba hovonoina ny helokareo,

20 ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin'ny Tompo, sy hanirahany an'ilay voatendry ho anareo, dia Jesoa-Kristy, 21 ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra ambara-pihavin'ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan'Andriamanitra tamin'ny vavan'ny mpaminany masina, hatramin'ny ela. 22 Fa hoy Moizy hoe: Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin'ny rahalahinareo; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo, 23 fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany, dia haringana tsy ho eo amin'ny vahoaka intsony. 24 Ary ny mpaminany rehetra izay niteny hatramin'i Samoely no mankaty dia samy nanambara izao andro izao avokoa. 25 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika, raha izy nilaza tamin'i Abrahama hoe: Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, 26 ka ho anareo aloha no nananganan'Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin'ny nataonareo avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1311