Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-3

13 Ny Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilaty, na dia nataony halefa aza izy. 14 Ny Masina sy ny Marina nolavinareo fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. 15 Hianareo namono ny Tompon'ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty, ary izahay ireto no vavolombelon'izany. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpanapaka anareo; 18 fa notanterahin'Andriamanitra tamin'izany kosa izay voalazany rahateo amin'ny vavan'ny mpaminany rehetra fa hijaly ny Kristy. 19 Koa mivaloza, ary mibebàha, mba hovonoina ny helokareo,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1298