Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-4

1 Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Piera sy Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly, ary ny Sadoseana,

2 fa sosotra izy ireo noho ny nampianaran'izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan'ny maty efa hita tamin'i Jesoa-Kristy, 3 ka nosamboriny izy ireo, sy nataony an-tranomaizina ambara-pahamaraina ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay. 4 Maro anefa tamin'izay nandre ny tenin'izy ireo no nino, ka tonga dimy arivo ny isan'ny lehilahy. 5 Nony ampitso, dia nivory tao Jerosalema ny mpanapaka, ny loholona, ny mpanora-dalàna,

6 ary Ana lehiben'ny mpisorona, Kaifa, Joany Aleksandra, mbamin'ny havan'ny mpisorona rehetra, 7 ka nasainy nentina teo anatrehany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Amin'ny fahefan'iza, na amin'ny anaran'iza no anaovanareo izany? 8 Tamin'izay Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin'izy ireo hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholon'Israely, 9 raha ny amin'ny soa nataonay tamin'ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran'i Jesoa-Kristy avy any Nazareta, izay nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. 11 Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa; 12 ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0973