Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-4

13 Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian'i Piera sy Joany, satria fantany fa sarambaben'olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin'i Jesoa izy ireo;

14 nefa tsy hitany izay hanoherany azy ireo noho ilay lehilahy sitrana hitany nitsangana teo akaikin'izy roa lahy. 15 Ka dia nasainy niala teo amin'ny fivoriana aloha izy roa lahy, ary izy ireo kosa niara-nihevitra, 16 nanao hoe: Inona no hataontsika amin'ireo lehilahy ireo? Raha ny fahagagana nataony aloha, dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany, ka tsy azontsika lavina; 17 fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka kosa, ndeha horahonantsika izy, mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza. 18 Dia nantsoiny izy ireo ka noraràny mafy mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin'ny anaran'i Jesoa intsony.

19 Fa namaly Piera sy Joany ka nanao tamin'izy ireo hoe: Tsaraonareo raha marina eo imason'Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an'Andriamanitra; 20 fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay. 21 Tamin'izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an'Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1756