Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-4

23 Nony afaka teo izy roa lahy, dia lasa niverina tany amin'ny namany ka nanambara tamin'izy ireo izay nolazain'ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona taminy.

24 Vao nandre izany kosa ireto rahalahy, dia niara-nivavaka tamin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô! hianao no nahary ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra eo aminy. 25 Hianao no niteny tamin'ny Fanahy Masina sy tamin'ny vavan'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no nitabataba ny firenena, ary no nisaina teti-dratsy foana ny vahoaka? 26 Niodina ny mpanjakan'ny tany, ary niray tetika ny andrian-dehibe mba hanohitra ny Tompo sy ny Kristiny. 27 Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontsy Pilaty ary ny jentily mbamin'ny vahoaka Israely hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao, 28 ka hanatanteraka izay voatapaky ny tànananao sy ny lahatrao rahateo. 29 Ary ankehitriny, Tompo, jereo ny fandrahonany, ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa, 30 sady ahinjiro ny tànanao mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin'ny anaran'i Jesoa Mpanomponao masina. 31 Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin-kasahiana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0444