Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-4

8 Tamin'izay Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin'izy ireo hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholon'Israely, 9 raha ny amin'ny soa nataonay tamin'ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran'i Jesoa-Kristy avy any Nazareta, izay nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. 11 Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa; 12 ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1092