Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-5

1 Ary nisy kosa lehilahy anankiray atao hoe Anania, sy Safira vadiny, nivarotra tany,

2 nefa nanafenany ny vidin'ny tany, araka ny tetika iraisan'izy mivady, vao nentiny napetraka teo an-tongotry ny Apostoly ny vola sisa. 3 Fa hoy Piera: Ry Anania, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin'ny vidin'ny tany? 4 Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra. 5 Nony nandre izany teny izany Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raikitahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany. 6 Dia nitsangana ny tovolahy, nofonosiny ny fatiny, ka nentiny nalevina. 7 Nony afaka tokony ho adim-pamantaranandro telo, dia inty tamy koa ny vavy, tsy nahalala izay nanjò teo akory.

8 Ka hoy Piera taminy: Lazao amiko, moa izany ihany va no nivarotanareo ny taninareo? Eny, izany ihany, hoy izy. 9 Dia hoy Piera taminy: Nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro mby eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ka hitondra anao koa. 10 Niaraka tamin'izay dia lavo teo an-tongony izy, ka afaka ny ainy. Ary nony tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty izy, ka nantiny naleviny tany anilan'ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra mafy ny Eglizy manontolo sy izay rehetra nandre izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1997