Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-5

12 Betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin'ny vahoaka, tamin'ny tànan'ny Apostoly. Niara-nipetraka teo ambanin'ny lavarangan'i Salomona ny mpino rehetra,

13 ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana tamin'izy ireo; nefa ny vahoaka nankazala azy. 14 Nitombo isa isan'andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy, 15 ka dia nentiny teny an-dàlambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Piera ahay, raha mandalo izy. 16 Maro koa ny olona nidodododo nankao Jerosalema avy tamin'ny tanàna manodidina nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto, ary sitrana avokoa izy rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1318