Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-5

17 Tamin'izay dia nentin'ny fialonana ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseana ireo, ka nisafoaka.

18 Nasainy nosamborina ny Apostoly, dia nataony an-tranomaizina. 19 Fa nony alina kosa dia nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina, ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe: 20 Mandehana mankao amin'ny tempoly, ka torio amin'ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin'izany fiainana izany. 21 Rahefa nandre izany izy ireo, dia niditra marainakoa tao amin'ny tempoly ka nampianatra. Tonga kosa ny lehiben'ny mpisorona sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrina mbamin'ny loholona rehetra tamin'ny zanak'Israely, ary naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly. 22 Dia nandeha ny iraka, nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony, ka lasa niverina nilaza izay hitany hoe:

23 Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana; kanjo nony novohanay, tsy nisy olona tao anatiny. 24 Vaka dia vaka ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ry zareo lehiben'ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany. 25 Fa tamin'izay kosa inty nisy olona anankiray tonga nilaza tamin'izy ireo hoe: Indreo ry zareo nataonareo an-tranomaizina ireny ao an-tempoly ao, sady mampianatra ny olona. 26 Dia lasa naka azy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao hotorahan'ny vahoaka vato.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1062