Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-5

27 Dia nentiny izy ireo ka napetrany tao amin'ny Sanedrina, sy nadinin'ny lehiben'ny mpisorona hoe:

28 Efa noraranay mafy hianareo mba tsy hampianatra amin'izany anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran'i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran'ny ran'iny Lehilahy iny. 29 Fa namaly Piera sy ny Apostoly ka nanao hoe: Aleo manaiky an'Andriamanitra toy izay ny olombelona. 30 Natsangan'Andriamanitry ny razantsika tamin'ny maty Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tànana an-kavanan'Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an'Israely. 32 Ary izahay sy ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra an'izay rehetra manaiky azy no vavolombelon'izany zavatra izany. 40 Dia narahin'izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apostoly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin'ny tsora-kazo sy noraràny mafy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesoa intsony, dia nalefany.

41 Nony niala tamin'ny Sanedrina ny Apostoly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny anaran'i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0644