Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-6

1 Tamin'izany andro izany rahefa nitombo ny isan'ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin'ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahina loatra tamin'ny fizarana ny fiantrana isan'andro ny mpitondratena tao aminy.

2 Ka novorin'ny roa ambin'ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin'Andriamanitra. 3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany; 4 ary izahay kosa hikely aina amin'ny fivavahana sy ny fitorian-teny. 5 Nankasitrahan'ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, Filipo, Prokora, Nikanora, Timona, Parmenasy, ary Nikolà, proselita avy any Antiokia. 6 Narosony teo anatrehan'ny Apostoly izy ireo, ka nametrahany tànana nony efa vita ny fivavahana. 7 Dia niely ny tenin'Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.232