Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-8

5 Ary Filipo nidina tany an-tanànan'i Samaria, ka nitory ny Kristy tamin'ny olona tao. 6 Nandre sy nahita ny fahagagana nataon'i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy. 7 Fa maro ny olona azon'ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa; 8 ka hafaliana moa izany no tao amin'izany tanàna izany! 14 Rahefa ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny tany Samaria, dia nirahiny hankany Piera sy Joany.

15 Nony tonga tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina; 16 satria vita batemy tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan'ny Fanahy Masina na dia iray aza. 17 Dia nametrahany tànana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1202