Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-9

26 Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin'ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr'i Jesoa koa izy. 27 Tamin'izay nalain'i Barnabe izy ka nentiny tao amin'ny Apostoly, dia notantarainy tamin'izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dàlana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin'ny nitoriany ny anaran'i Jesoa tao Damasa. 28 Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin'ny anaran'ny Tompo. 29 Niresaka tamin'ny jentily koa izy, ary niady hevitra tamin'ny Helenista; kanjo notadiavin'ireo hovonoina. 30 Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsy. 31 Niadana ny Eglizy eran'i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin'ny famporisihan'ny Fanahy Masina koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1015