Bokin'i Baroka

Toko voalohany

1 Izao no teny ao amin'ny boky nosoratan'i Baròka, zanak'i Neriasa, zanak'i Maasiasa, zanak'i Sedekiasa, zanak'i Sedeì, zanak'i Helkiasa, tany Babilona,

2 tamin'ny taona fahadimy, andro fahafiton'ny volana, tamin'ny andro nahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema sy nandoroany azy. 3 Ny teny amin'ity boky ity dia novakin'i Baròka tamin'ny sofin'i Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, sy tamin'ny sofin'ny vahoaka rehetra izay tonga hihaino izany boky izany; 4 tamin'ny sofin'ireo lehibe sy ireo zanak'andriana, ary tamin'ny sofin'ny loholona sy tamin'ny sofin'ny vahoaka rehetra hatramin'ny kely indrindra, ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia izay rehetra nitoetra tany Babilona akaikin'ny ony Sodì. 5 Nitomany sy nifady hanina ary nivavaka tamin'ny Tompo izy ireo, nandre izany. 6 Nanangom-bola izy ireo araka izay zakany afoy avy, samy araka ny toe-pananany; 7 dia nampitondrainy ho any Jerosalema amin'i Joakima, zanak'i Helkiasa, zanak'i Saloma, mpisorona, sy amin'ny mpisorona sasany mbamin'ny vahoaka rehetra niara-nitoetra taminy tany Jerosalema. 8 Azon'i Baròka indray tamin'izay ny fanaky ny tranon'ny Tompo, nentina avy any amin'ny tempoly, ka nalefany ho any amin'ny tanin'i Jodà, tamin'ny andro fahafolon'ny volana Sivana, dia ireo fanaka volafotsy nataon'i Sedesiasa zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà; 9 nony efa nalain'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, tao Jerosalema Jekoniasa, ny mpanapaka, ny antoka, ny lehibe mbamin'ny sarambabem-bahoaka amin'ny tany, ka nentiny ho any Babilona. 10 Hoy izy ireo: Indro, mampitondra vola ho anareo izahay; izany vola izany ividiano izay hanaovana sorona dorana, sorona fanonerana, emboka manitra; manaova fanatitra koa, ary atolory eo ambonin'ny otelin'ny Tompo Andriamanitsika. 11 Mivavaha ho an'ny ain'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, ary mba ho an'ny ain'i Baltasara zanany mba ho toy ny andro any an-danitra ny androny eto an-tany; 12 ary homen'ny Tompo hery isika; hampamirapiratany amin'ny masontsika ny mazava; hiaina eo ambanin'ny alokalok'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona isika, sy eo ambanin'ny alokalok'i Baltasara zanany; ho lava andro hanompoana azy isika, sy hahita fitia eo imasony. 13 Mivavaha koa amin'ny Tompo Andriamanitsika, ho antsika; satria efa nanota tamin'ny Tompo Andriamanitsika isika; ary mbola tsy niala tamintsika mandrak'androany ny hatezerana amam-pahaviniran'ny Tompo. 14 Vakio ity boky ity, izay ampitondrainay anareo, mba hamakiana azy am-pahibemaso, ao amin'ny tranon'ny Tompo, amin'ny andro fety sy amin'ny fivoriana. 15 Ka ataovy hoe: An'ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana; antsika kosa ny henatra amin'ny tava, araka izao hita anio izao, ho an'ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema, 16 ho an'ny mpanjakantsika sy ny mpanapaka, ho an'ny mpisorontsika mbamin'ny mpaminany, sy ho an'ny razantsika.

17 Nanota teo anatrehan'ny Tompo isika;

18 ary tsy nanaiky azy. Tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitsika isika, tsy nanaraka ny didin'ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika.

19 Hatramin'ny andro nitondran'ny Tompo ny razantsika hiala tany amin'ny tany Ejipta ka mandrak'ankehitriny, dia tsy nety hoentin'ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony.

20 Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon'izay ozona notononin'ny Tompo, tamin'ny alalan'i Moizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely.

21 Tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitsika isika, araka ny teny rehetra nataon'ireo mpaminany, izay nirahana hankaty amintsika.

22 Dia nandeha isika, samy nanaraka ny fitongilanan'ny fony ratsy avy, mba hanompo andriamani-kafa, sy hanao ny ratsy eo imason'ny Tompo Andriamanitsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0969