Bokin'i Baroka

Toko faha-2

1 Izany no nanatanterahan'ny Tompo Andriamanitsika ny teniny, izay voalazany hamelezana antsika, na ny mpitsara izay nitsara an'Israely, na ny mpanjakantsika amam-panapaka antsika, na ny olona rehetra amin'Israely sy Jodà.

2 Nandrahonany antsika, fa hahatonga loza lehibe amintsika izy, dia loza tsy mbola nisy toa azy taty ambanin'ny lanitra rehetra; araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, araka izay efa niseho tokoa tany Jerosalema,

3 fa hoe: samy hihinana ny nofon'ny zanany lahy isika, sy ny nofon'ny zanany vavy avy.

4 Ary napetrany eo ambanin'ny tànan'ny mpanjaka rehetra manodidina antsika izy ireo, mba ho fandatsa sy fitalanjonan'ny firenena rehetra, amin'izay namelezan'ny Tompo antsika.

5 Ka isika natao hanapaka, no tonga mpanoa; satria nanota tamin'ny Tompo Andriamanitsika, tamin'ny tsy nanekentsika ny feony.

6 An'ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana, fa ny henatra manafotra ny tarehy no antsika sy ny razantsika, araka izao hita izao.

7 Ireo loza rehetra voalazan'ny Tompo ny amin'ny momba antsika, tonga tamintsika avokoa izao.

8 Ary tsy mba nivavaka tamin'ny tavan'ny Tompo akory isika, hampiverenany antsika hiala amin'ny hevitry ny fontsika ratsy.

9 Koa notandreman'ny Tompo ny loza, ka nampihaviany hanjo antsika; satria marina ny Tompo, tamin'ny asa rehetra nandidiany antsika.

10 Ary isika tsy nihaino ny feony, tsy nitandrina ny didin'ny Tompo, izay nataony teo anoloantsika.

11 Ary ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitr'Israely, izay nitondra ny vahoakanao niala tany amin'ny tany Ejipta, tamin'ny tànana mahery, sy tamim-pahagagana amam-pamantarana, tamin'ny fahefana lehibe aman-tsandry nahinjitra, sady nampanan-daza ny anaranao, araka izao hita anio izao:

12 Nanota izahay, nanao asa manohatra ny fivavahana izahay, nanao ny tsy marina izahay, ry Tompo Andriamanitray, amin'ny mikasika ny didinao rehetra.

13 Aoka mba ho afaka aminay ny hatezeranao, fa efa sisany kely foana izahay eny amin'ny firenena nanelezanao anay!

14 Tompo ô, henoy ny vavakay amam-pifonanay. Vonjeo izahay noho ny amin'ny tenanao, ary ataovy mahita fitia eo imason'ireo nitondra anay ho babo izahay,

15 mba hahalalan'ny tany rehetra fa Tompo Andriamanitray hianao, satria ny anaranao efa voaantso amin'Israely sy ny taranany.

16 Tompo ô, aoka hianao hitsinjo avy any amin'ny fonenanao masina, ka hihevitra anay, aoka hanongilan-tsofina sy hihaino anay;

17 sokafy ny masonao, ka jereo: Tsy mba ny maty izay any amin'ny seoly, izay efa niala tao anatiny ny fanahiny, no manome voninahitra ny Tompo sy mankatò azy,

18 fa ny velona, izay malahelo noho ny haben'ny loza manjo azy, izay mandeha mitanondrika sady lany hery, izay mavozovozo ny masony sy efa noana ny fanahiny, dia izy io no manome voninahitra anao, ry Tompo, sy mankatò anao.

19 Tsy mba noho ny fahamarinan'ny razanay amam-panjakanay anefa, no anamparanay ny fivavahanay eo anatrehanao, ry Tompo Andriamanitray.

20 Fa efa nalefanao hamely anay ny fahatezeranao amam-pahaviniranao, araka ny efa voalazanao tamin'ny vavan'ny mpaminany, mpanomponao; nataonao hoe: Izao no lazain'ny Tompo:

21 Aondreho ny sorokareo sy ny vozonareo, ka manompoa ny mpanjakan'i Babilona, dia honina eo amin'ny tany nomeko ny razanareo hianareo.

22 Fa raha tsy mety mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo, amin'ny fanompoana ny mpanjakan'i Babilona,

23 dia hatsahatro eo amin'ny tanànan'i Jodà sy any ivelan'i Jerosalema, ny hira fifaliana sy ny hira firavoravoana, ny hiran'ny mpampakatra sy ny hiran'ny ampakarina, ary ho tonga efitra tsy misy mponina avokoa ny tany rehetra.

24 Tsy nety nihaino ny feonao izahay, amin'ny fanompoana ny mpanjakan'i Babilona, ka dia notanterahanao ny teninao voatonon'ny vavan'ny mpaminany mpanomponao: nilaza fa ny taolan'ny mpanjakantsika, sy ny taolan'ny razantsika, hesorina hiala ao am-pasany.

25 Ka indro fa natsipy teny ambonin'ny tany tokoa izany, nahahy tamin'ny hafanan'ny masoandro sy ny hatsiaky ny alina; ary ny razanay dia maty tamin'ny fijaliana mangidy, dia matin'ny hanoanana, ny sabatra, mbamin'ny pesta.

26 Ny trano izay niantsoana ny anaranao, naetrinao amin'izao toetrany ankehitriny izao, noho ny haratsian'ny taranak'Israely aman-taranak'i Jodà.

27 Izay nataonao taminay, ry Tompo Andriamanitray ô, dia araka ny hatsaram-ponao rehetra, sy araka ny famindram-ponao lehibe rehetra,

28 araka ny nambaranao tamin'ny vavan'i Moizy mpanomponao, tamin'ny andro nandidianao azy hanoratra ny lalànao teo anatrehan'ny zanak'Israely,

29 nataonao hoe: Raha tsy mihaino ny feoko hianareo, izao olona zavon-tany be izao dia hampanjariako vitsy dia vitsy, any amin'ny firenena hampielezako azy.

30 Fa fantatro fa tsy hihaino ahy izy ireo satria vahoaka mafy loha izy. Handinika ao am-pony anefa izy, any amin'ny tany fahababoany,

31 ka hahalala fa izaho no Tompo Andriamaniny ary homeko fo mahalala izy, sy sofina mahahaino.

32 Dia hidera ahy any amin'ny tany fahababoana izy, sy hahatsiaro ny anarako.

33 Ary handa tsy ho mafy hatoka intsony izy, sy tsy hanaraka ny foto-keviny mamohehatra, satria hahatsiahy ny nanjo ny razany, izay nanota teo anatrehan'ny Tompo.

34 Koa hampodiko izy ho any amin'ny tany efa nianianako nampanantenaina ny razany, dia Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, ka izy ireo no ho tompon'izany; ary hahamaro azy aho, ka tsy hihavitsy izy.

35 Hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo aho, mba ho Andriamaniny aho, ary mba ho vahoakako izy ireo, ka tsy handroaka an'Israely vahoakako intsony hiala amin'ny tany efa nomeko azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0495