Bokin'i Baroka

Toko faha-4

1 Ny fahendrena dia ilay bokin'ny didin'Andriamanitra sy ny lalàna maharitra mandrakizay. Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin'ny fiainana, fa izay mandao azy kosa ho any amin'ny fahafatesana.

2 Miverena, ry Jakoba, sy mifikira aminy, ary mizora amin'ny fahazavany mamirapiratra.

3 Aza omena ho an'ny hafa ny voninahitrao, na ho an'ny firenen-kafa ny tombon-tsoanao.

4 Sambatra isika, ry Israely ô, fa nanambarana izay sitrak'Andriamanitra!

5 Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an'Israely ô!

6 Ny nivarotana anareo tamin'ny firenena, tsy mba ny haringana; fa hianareo nihantsy ny fahatezeran'Andriamanitra, no nanolorana anareo ho an-tànan'ny mpampahory.

7 Satria nampahatezitra an'Ilay nanao anareo hianareo, tamin'ny nanoloranareo sorona tamin'ny demony, fa tsy tamin'Andriamanitra.

8 Nanadino an'Ilay namelona anareo hianareo, dia Andriamanitra mandrakizay, ary nampalahelo an'ilay nitaiza anareo, dia Jerosalema;

9 Fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nilaza izy hoe: Mihainoa, hianareo mifanolo-body rindrina amin'i Siona, fa nanirahan'Andriamanitra fisaonana lehibe aho.

10 Hitako ny fahababoan'ny zanako lahy aman-janako vavy; sy izay nampiharin'ilay mandrakizay tamin'izy ireo.

11 Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo, fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.

12 Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondratena sy nilaozan'ny maro be! Efa lao aho, noho ny fahotan'ireo zanako, satria izy ireo nivily nandao ny lalàn'Andriamanitra;

13 tsy nasiany raharaha ny didiny, tsy nandeha tamin'ny làlan'ny didin'Andriamanitra, ary tsy nanaraka ny làlan'ny fahaiza-manaiky, araka ny fahamarinana.

14 Aoka ho avy ny mifanolo-body rindrina amin'i Siona! Tsarovy ny fahababoan'ny zanako lahy aman-janako vavy, izay nampiharin'ny Mandrakizay tamin'izy ireo.

15 Fa nasainy tonga hamely azy ireo ny firenena avy lavitra, firenena masiaka, manao teny barbariana,

16 tsy mahalala manaja ny anti-panahy, na mangoraka ny ankizy madinika, fa nifaoka ny malalan'ny mpitondratena, sady namela ahy ho irery voasaraka tamin'ny zanako vavy.

17 Ary hataoko ahoana moa ny famonjy anareo?

18 Ilay nahatonga izany loza izany taminareo, dia izy ihany no hanafaka anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo.

19 Mandehana, anaka, mandehana, fa izaho tafajanona irery!

20 Nesoriko ny akanjo fitondra amin'ny andro firavoravoana, fa ny lasakan'ny fifonako no nitafiako; hitaraina amin'ny Avo Indrindra aho, mandritra ny andro iainako.

21 Matokia, anaka miantsoa ny Tompo, ary izy hanafaka anareo amin'ny fahefana sy amin'ny tanan'ny fahavalonareo.

22 Ilay Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo, ka tonga amiko ny hafaliana avy amin'ilay Masina, noho ny famindram-po hataon'ilay Mandrakizay, Mpamonjy anareo, ho tonga aminareo.

23 Izaho namela anareo handeha tamin-dranomaso amam-pisaonana; fa Andriamanitra kosa hamerina anareo amiko, amin-kafaliana sy amim-piravoravoana ho mandrakizay.

24 Toy ny nahitan'ireo mifanolo-body rindrina amin'i Siona ny fahababoanareo no hahitany faingana ny famonjena anareo, amin'Andriamanitra, izay ho tonga aminareo amim-boninahitra lehibe, sy amin-daza mamirapiratra ho an'ilay Mandrakizay.

25 Anaka, lefero amim-paharetana ny fahatezeran'Andriamanitra tonga aminareo. Ny fahavalonareo nanenjika anareo; fa vetivety dia hianareo kosa indray no hahita ny faharavany, sy hanitsaka ny hatony, amin'ny tongotrareo.

26 Nandia làlana maraorao ny zanako malemilemy indrindra; notsoahana toy ny andian'ondry norobain'ny fahavalo izy ireo.

27 Matokia, anaka, ary miantsoa ny Tompo; fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.

28 Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an'Andriamanitra no hikatsahanareo azy amin-kafanam-po impolo heny rahefa tafaverina aminy hianareo.

29 Satria ilay nahatonga loza taminareo, dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin'ny famonjeny anareo.

30 Matokia, ry Jerosalema, fa hampionona anao ilay nanome anao ny anarany.

31 Loza ho an'izay manisy ratsy anao, sy nifaly tamin'ny fahalavoanao!

32 Idiran-doza izay tanàna naha-andevo ny zanakao! Idiran-doza izay nandray azy ireo ho babo!

33 Toy ny nifaliany tamin'ny faharavanao, sy nihobiany tamin'ny fahalavoanao, no halahelovany amin'ny faharinganany.

34 Hesoriko aminy ny hafaliany noho ny hamaroan'ny mponina ao aminy, dia hiova ho fisaonana ny reharehany.

35 Hisy afo avy amin'ilay Mandrakizay, ho tonga aminy ho amin'ny andro lava, ary mandritra ny andro ela dia ho fonenan'ny fanahy ratsy izy.

36 Mijere miantsinanana, ry Jerosalema, ka jereo ity hafaliana tonga aminao avy amin'Andriamanitra.

37 Fa indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha taloha, tonga izy, tafavory hatrany atsinananaka hatrany andrefana amin'ny feon'Ilay Masina, miravoravo amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.089