Bokin'i Baroka

Baroka toko 5
Fampiononana an'i Jerosalema.

       1 Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;
fa ny fanamiam-boninahitra avy amin'Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy.
       2 Mihodidina ny kapaotim-pahamarinana avy amin'Andriamanitra,
ataovy eo an-dohanao ny hamaman'ny voninahitr'ilay Mandrakizay.
       3 Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao,
amin'ny tany rehetra, ambanin'ny lanitra.
       4 Hotononin'Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao;
Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka.
       5 Mitsangàna ry Jerosalema, mijoroa eo amin'ny havoanao,
mitazàna miantsinanana,
ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin'ilay Masina,
hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,
miravoravo noho ny nahatsiarovan'Andriamanitra azy ireo.
       6 Mandeha an-tongotra no nandaozany anao, nobaboin'ny fahavalo;
fa entina amim-boninahitra no amerenan'Andriamanitra azy aminao,
hoatra ny seza fiandrianan'ny mpanjaka.
       7 Satria nasain'Andriamanitra hietry avokoa
rahefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola,
ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hamarin-tampona ny tany,
mba handehanan'Israely tsy voasembantsembana,
ho an'ny voninahitr'Andriamanitra.
       8 Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,
nanome ny alokalony ho an'Israely avokoa noho ny didin'Andriamanitra.
       9 Fa ho entin'Andriamanitra amin-kafaliana Israely, amin'ny fahazavan'ny voninahiny,
hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.