Bokin'i Baroka

Toko faha-5

1 Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema; fa ny fanamiam-boninahitra avy amin'Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy.

2 Mihodidina ny kapaotim-pahamarinana avy amin'Andriamanitra, ataovy eo an-dohanao ny hamaman'ny voninahitr'ilay Mandrakizay.

3 Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao, amin'ny tany rehetra, ambanin'ny lanitra.

4 Hotononin'Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao; Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka.

5 Mitsangàna ry Jerosalema, mijoroa eo amin'ny havoanao, mitazàna miantsinanana, ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin'ilay Masina, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana, miravoravo noho ny nahatsiarovan'Andriamanitra azy ireo.

6 Mandeha an-tongotra no nandaozany anao, nobaboin'ny fahavalo; fa entina amim-boninahitra no amerenan'Andriamanitra azy aminao, hoatra ny seza fiandrianan'ny mpanjaka.

7 Satria nasain'Andriamanitra hietry avokoa rahefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola, ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hamarin-tampona ny tany, mba handehanan'Israely tsy voasembantsembana, ho an'ny voninahitr'Andriamanitra.

8 Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza, nanome ny alokalony ho an'Israely avokoa noho ny didin'Andriamanitra.

9 Fa ho entin'Andriamanitra amin-kafaliana Israely, amin'ny fahazavan'ny voninahiny, hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0672