Bokin'i Daniely

Toko voalohany

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, tonga Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona hamely an'i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.

2 Natolotry ny Tompo, ho an-tànany, Joakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin'ny tany Sennaara, ao amin'ny tranon'ny andriamaniny, sady napetrany tao amin'ny firaketan'andriamaniny ny fanaka. 3 Nanome teny an'i Asfeneza, lehiben'ny eonokany, ny mpanjaka, hitondra ny sasantsasany amin'ny zanak'Israely izay isan'ny taranak'andriana, na izay avo razana,

4 ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany, nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara, hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka, sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeana. 5 Natokan'ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan'andro, amin'ny hanin'ny mpanjaka sy ny divay fisotrony, mba hitoerany eo anatrehan'ny mpanjaka, rahefa nobeazina telo taona izy ireo. 6 Anisan'ireo: Daniely, Ananiasa, Misaely ary Azariasa, avy amin'ny taranak'i Jodà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055