Bokin'i Daniely

Toko faha-10

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa mpanjakan'i Persa, dia nisy teny nambara tamin'i Daniely, izay natao hoe Baltasara, marina izany teny izany, ary ady lehibe no nolazainy. Azony an-tsaina ny teny, sady fantany hevitra ny fahitana.

2 Tamin'izany andro izany aho, Daniely, nisaona nandritra ny andro roatokombolana.

3 Tsy nihinan-kanim-py akory aho, tsy nisy niditra ny vavako na hena na divay; ary tsy nihosotra aho, mandra-pahatapitry ny andro roatokombolana maninjitra. 4 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana vaolohany aho, teo amoron'ny ony lehibe atao hoe Tigra. 5 Nanopy ny masoko nijery aho, ka indro, nisy lehilahy anankiray, nitafy rongony fotsy, sy nihetra tamin'ny hetra volamena avy any Ofaza. 6 Tahaka ny krisolita ny tenany, hoatra ny hela-baratra no fijery ny tenany, tahaka ny fanilo mirehitra no fijery ny tarehany, tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, mivolom-barahana manganohano ny sandriny amam-tongony, hoatra ny feon'olona maro be ny feony, raha miteny izy. 7 Izaho Daniely irery no nahita ny fisehoana fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita ny fisehoana; azon'ny tahotra mafy izy ireo, ka nandositra niery. 8 Dia izaho irery no nijanona teo, ka nahita izany fisehoana lehibe izany, ka tsy nisy hery sisa intsony tafajanona tao amiko, ny tarehako niova volo, fa tonga nivaloarika aho, ary tsy nisy hery intsony tamiko. 9 Reko ny feony niteny; fa vao nandre ny feony niteny aho, dia nirona natory, ka nihohoka tamin'ny tany. 10 Dia injay tànana nanohina ahy, ka nampiarina ahy handohalika sy hitehin-tànana.

11 Dia hoy izy tamiko hoe: Ry Daniely, olo-malalan'Andriamanitra ô, fantaro izao teny holazaiko aminao izao, ka mitsangana hianao fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana aho nangovitra. 12 Ary hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniely, fa hatramin'ilay andro voalohany nandatsahanao am-po ny hahalala sy hanetry tena eo anatrehan'Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao, ary izaho no tonga dia noho ny teninao. 13 Fa nitsangana teo anoloako, iraika amby roapolo andro, ilay filohan'ny fanjakan'i Persa, ary Misely anisan'ireo filohany ambony no tonga nanampy ahy, ka nijanona teo akaikin'ny mpanjakan'i Persa aho. 14 Ary ny hampahafantatra anao ny hanjo ny firenenao any am-parany any, no nahatongavako, satria mbola fahitana ny amin'ny any aoriana koa izany. 15 Tamin'ny nilazany izany teny izany tamiko, dia niondrika tamin'ny tany ny tarehako, sady tsy nahateny aho.

16 Fa indro kosa nisy anankiray nitarehin-janak'olombelona, nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho, ka niteny dia nilaza tamin'ilay nitsangana teo anatrehako, nanao hoe: Tompokolahy ô, very hevitra aho, azon'izany fahitana izany, ka tsy manan-kery intsony. 17 Hataon'ity mpanompon'ny tompoko ity ahoana moa, no fiteny amin'ny tompoko eo. Amin'izao sady tsy manan-kery aho, no tsy nisy aina intsony akory koa. 18 Fa ilay nitarehin-janak'olombelona indray no nanendry ahy sy nankahery ahy. Dia hoy izy tamiko: 19 Aza matahotra, ry olo-malalan'Andriamanitra; ho aminao anie ny fiadanana! Matokia, matokia! Mbola niteny tamiko teo izy, dia efa nahazo hery aho, ka nanao hoe: Aoka hiteny amin'izao ny tompoko, fa efa nankahery ahy hianao. 20 Hoy izy tamiko: Fantatrao va ny nahatongavako atý aminao? Ankehitriny hiverina hiady amin'ny filohan'i Persa aho, ary amin'ny fotoana handehanako, dia indro ho avy ny filohan'i Javana.

21 Hambarako anao anefa, ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny fahamarinana, ary tsy misy mitsangana momba azy hanohitra an'ireo afa-tsy Misely filohanareo ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862