Bokin'i Daniely

Toko faha-11

1 Izaho koa tamin'ny taona vaolohany nanjakan'i Dariosa ilay Meda no nitsangana teo anilany hanohana sy hankahery azy.

2 Ankehitriny, indro haharihariko aminao ny marina. Mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana amin'i Persa; ary ny fahefatra hanan-karena mihoatra noho izy rehetra, ka rahafa mahery noho ny hareny izy, dia hanainga ny zavatra rehetra hamely ny fanjakan'i Javana.

3 Ary hisy mpanjaka mahery fo hanam-pahefana lehibe, ka hanao izay mahafinaritra azy. 4 Raha vao tafatsangana izy dia ho voatorotoro ny fanjakany, ka ho zarazaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy ho an'ny taranany, sady tsy hanam-pahefana tahaka izay nananany, satria ho rovitra ny fanjakany, ka ho lasan'ny hafa fa tsy ho an'ireo. 5 Ho tonga mahery ny mpanjakan'ny Atsimo, sy ny iray amin'ny jeneraliny, izay ho tonga mahery noho izy, ho mahefa; ary ho fahefana lehibe ny fahefany.

6 Rahefa afaka taona vitsivitsy hihavana izy ireo, ary ho tonga any amin'ny mpanjakan'ny Avaratra, ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny Atsimo, hanao fanekena. Tsy hahatana ilay tohan-tsandriny anefa razazavavy; fa tsy haharitra izy io, na ny sandrin'ny tenany aza tsy haharitra amin'ny heriny, ka hatolotra razazavavy, dia izy sy ireo nitondra azy, ny rainy niteraka azy mbamin'ilay nanohana azy nandritra ny fotoana vitsivitsy. 7 Fa hisy solofo iray avy amin'ny fakany, hitsangana handimby azy; ho tonga mandan'ny mpanjakan'ny Avaratra, ary hataony amin'izay itiavany azy ireny, dia hahery izy. 8 Hoentiny ho babo any Ejipta hatramin'ny andriamaniny, ny sarin-javatra anidiny, ny fanaka sarobidiny, na ny volamena na ny volafotsy; ary hahombiazany ny mpanjakan'ny Avaratra mandritra ny taona maro, 9 vao mba hiditra any amin'ny fanjakan'ny Atsimo kosa, dia hiverina any amin'ny taniny ihany indray. 10 Fa hamonona fiadiana indray ireo zanany, sady hanangona miaramila maro be, ka ho avy ny anankiray amin'izy ireo hanenika toy ny ranobe, hibosesika, vao hiverina, ary hikirizany hasiana ny tanàna mimanda.

11 Hisafoaka ny mpanjakan'i Atsimo, ka hivoaka hiady aminy, dia amin'ny fanjakan'ny Avaratra; hamory miaramila betsaka izy, ary hatolotra azy ny miaramilan'ny mpanjakan'ny Avaratra. 12 Hitombo ny herim-pony manoloana ity vahoaka be voavory hamely azy; haharipaka arivoarivo izy nefa tsy hitombo ny heriny amin'izany. 13 Fa hamory miaramila maro noho ny teo indray ny mpanjakan'ny Avaratra, ka rahefa afaka taona vitsivitsy dia hiainga mitondra takika lehibe sy fitaovana be dia be. 14 Amin'izany andro izany maro no hitsangan-kamely ny mpanjakan'ny Atsimo; ary hitsangan-kanatanteraka ny fahitana ny olo-masiaka amin'ny firenenao, nefa ho lavo izy ireo. 15 Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra, ka hanandratra tovon-tany, hanafaka ny tanàna mimanda, tsy hotohan'ny sandrin'ny Atsimo, na ny miaramilany voafantina, ary tsy hisy hery hanohitra. 16 Izay nandroso hamely azy, no hanao izay rehetra sitrany, ary tsy hisy olona hahatoha eo anoloany; hijanona eo amin'ny tany be voninahitra izy, ary fandringanana no ho eny an-tànany. 17 Hanapa-kevitra ny handroso mitondra ny herin'ny fanjakany rehetra izy, ary hanao izay hifanarahana aminy, ka hanome azy tovovavy anankiray hitari-doza hanjo azy; tsy hahomby anefa izany fa tsy ho azy izany fanjakana izany. 18 Dia any amin'ireo nosy indray no hotodihiny ka hahalasa be amin'ireo izy; kanjo hisy kapiteny hampitsahatra ny latsa ataony kosa, ka tsy mba ho voalatsa, fa hampitsingerina aminy izay nataony aza. 19 Hitodika mankany amin'ny tanàna mimanda any amin'ny taniny izy, nefa ho tafintohina, ka lavo, dia tsy ho hita intsony. 20 Hisy anankiray hitsangana handimby azy; handefa mpiharaka izy, ho any amin'ny fitoerana izay voninahitry ny fanjakana; nefa andro vitsy foana io dia ho voatorotoro, ka tsy avy amin'ny fahatezerana na amin'ny ady. 21 Hisy olona famingavinga handimby io indray, tsy nomena ny fiandrianam-panjakana; dia hisosoka an-tsokosoko ka hahazo ny fanjakana amin'ny fitetehana mangingina.

22 Ireo miaramila nibosesika ho safotra foana eo anatrehany, sady ho voatorotoro mbamin'ilay mpanapaka vita fanekena aminy koa. 23 Tsy hasiany, raharaha akory ny fanekena natao taminy, fa hanao an-kafetsena izy, ka hiainga sy handresy amin'olom-bitsy foana. 24 Hiditra indrindra amin'ny tany izy; ka izay tsy vitan'ny razany na ny razan'ny razany dia hovitainy, ka hozarainy amin'ireny ny remby, ny babo, ny harena; ary hamoron-tsaina hamely ny tanàna mimanda izy, ka haharitra fotoana sasantsasany izany. 25 Hanainga ny heriny amam-kerim-pony izy, hitari-tafika lehibe hamely ny mpanjakan'ny Atsimo. Ary ho rafitr'ady aminy, ny mpanjakan'ny Atsimo, hitondra tafika maro sady mahery indrindra, nefa tsy hahatoha fa hisy firaisan-tetika hiforona hamely azy. 26 Izay mihinan-kanina avy amin'ny latabany hanorotoro azy; ny miramilany hihahaka; ary olona maro no hiampatrampatra maty. 27 Samy hisaintsaina ao am-pony hifanimba ireo mpanjaka roa ireo, ka hiray latabatra fa hifamitaka amin'ny resaka; nefa tsy hahomby izany, fa amin'ny fotoana voatendry ihany vao hidona ny farany. 28 Hody any amin'ny taniny mitondra harem-be izy; mieritreritra ny hanisy ratsy ny fanekena masina ny fony, ka manatanteraka izany izy vao miverina any amin'ny taniny indray.

29 Ho tonga any Atsimo indray izy, amin'ny fotoana voatendry; nefa tsy ho toy ny voalohany, ity diany farany. 30 Ho avy hamely azy ny sambon'i Setima ka hanary toky izy, dia hody izy ary ny fanekena masina indray no hampahatezitra azy; ka hamely izy sady hifanao tsikombakomba amin'ireo izay nahafoy ny fanekena. 31 Hisy miaramila halefany, ka hipetraka ao ireo: handoto ny fitoerana masina, ny trano mimanda, hampitsahatra ny sorona tsy tapaka, ary hanangana ny fahavetavetan'ny mpandringana. 32 Ry zareo mpivadika ny fanekena hambosiny amin'ny fandroboana mba ho amin'ny fanompoan-tsampy, fa ilay vahoaka misy olona mahalala an'Andriamaniny kosa hahatoha sady hiasa. 33 Hampianatra ny ankapobem-bahoaka ireo izay manan-tsaina amin'ny vahoaka; nefa ho lavon'ny sabatra aman-delafo sy ny fambaboana amam-pandrobana izy ireo mandritra ny fotoana sasantsasany. 34 Amin'ny hahalavoany toy izany, dia hahazo famonjena kely izy, sady misimisy ihany koa ny hikambana aminy, nefa amim-pihatsaram-belatsihy fotsiny. 35 Ary amin'ireo manan-tsaina ny sasany no ho lavo mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy, mandra-pahatongan'ny fotoana farany, fa mbola tsy ho amin'ny fotoana voatendry amin'izany. 36 Ny mpanjaka hanao izay sitrany, hanandra-tena sady hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny andriamanitra rehetra, ary hilaza zavatra mihoa-pampana manohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra; ary hambinina izy, mandra-pahafenon'ny fahatezerana; satria tsy maintsy ho tanteraka izay efa tapaka.

37 Tsy misy hahoany akory na ny andriamanitry ny razany, na ny andriamanitra tsy izy lazain'ny vehivavy; tsy hahoany akory izay Andriamanitra, fa hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny zavatra rehetra izy. 38 Ny andriamanitry ny tanàna mimanda no hany hankalazainy ao amin'ny fitoerany; izany andriamanitra tsy fantatry ny razany izany no hankalazainy amin'ny volamena, ny volafotsy, ny vatosoa ary ny firavaka. 39 Hamely ny mandan'ny trano mimanda izy, omban'ny andriamani-kafa; ka izay hanaiky azy homeny voninahitra be, hataony mpanapaka ny maro, ary hizarany tany ho valisoa. 40 Amin'ny fotoana farany ny mpanjakan'ny Atsimo hanoto azy; ny mpanjakan'ny Avaratra hiantonta aminy, hitondra kalesa sy mpitaingin-tsoavaly aman-tsambo maro, handroso any afovoan-tany izy, ka handalo hoatra ny ranobe manafotra.

41 Hiditra amin'ny tany be voninahitra izy, ka maro no ho ripaka; ho afa-mandositra ny tànany anefa ireto: Edoma sy Moaba ary ny lohan'ny taranak'i Ammona. 42 Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany izy, ka tsy ho afa-mandositra ny tany Ejipta. 43 Ho lasany avokoa ny rakitra volamena sy volafotsy mbamin'ny zava-tsoan'i Ejipta rehetra; handeha hanaraka azy ny Libiana sy ny Etiopiana. 44 Ho voatebitebin'ny vaovao avy any atsinanana sy avy any avaratra anefa izy ka hiainga an-katezerana mafy handrava sy handringana olona maro. 45 Haorina eo anelanelan'ireo ranomasina eo akaikin'ny tendrombohitra masina sy be voninahitra ny tranolain'ny lapany. Dia hihatra aminy ny fiafarany, ary tsy hisy olona hamonjy azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2548