Bokin'i Daniely

Toko faha-12

1 Amin'izany andro izany, hitsangana Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin'ny zanaky ny firenenao, ka amin'izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian'ny firenena, ka hatramin'izany andro izany. Amin'izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin'ny boky.

2 Ary maro amin'ireo mandry ao amin'ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin'ny latsa amam-panariana mandrakizay. 3 Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin'ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.094