Bokin'i Daniely
Toko faha-2
31 Hianao nijery, ry mpanjaka ô, ka indro nisy sariolona lehibe. Tena makadiry izany sariolona izany, sady namirapiratra mahagaga; nijoro teo anatrehanao izy io, ary mahatsiravina ny fijery azy.32 Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany; volafotsy ny tratrany aman-tsandriny; varahana ny kibo amam-peny; 33 vy ny ranjony, ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany. 34 Mbola mijery eo hianao no indro, nisy vato niendaka tsy nokasihin-tànana, namely ity sariolona tamin'ny tongony vy amam-tanimanga, ka nahatorotoro azy. 35 Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahana, ny volafotsy mbamin'ny volamena, sady nanjary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin'ny fahavaratra, ka nopaohin'ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany; ary ilay vato namely ny sariolona kosa, zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra. 36 Izany no nofy; ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
37 Hianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan'ny mpanjaka, izay nomen'ny Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,
38 sy notolorany ny zanak'olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron'ny lanitra, na aiza na aiza itoerany, ary nasainy nanjaka tamin'izy rehetra, dia hianao no loha volamena. 39 Manarakaraka anao, hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho hianao; manaraka izany, hisy fanjakana fahatelo, ho varahana, izay hanam-pahefana amin'ny tany rehetra. 40 Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra, toy ny fanorotoron'ny vy ny zavatra rehetra, no hanamongoany sy hanorotoroany an'ireo rehetra ireo. 41 Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan'ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga. 42 Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana mafy ila sy malemy ila, izy. 43 Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan'ny taranak'olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan'ny vy hiharo amin'ny tanimanga no tsy hifampitambarany. 44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin'ny firenen-kafa ny fanapahany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay, 45 araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihan-tanana, tamin'ny tendrombohitra, ka nahatorotoro ny vy, ny varahana, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin'ny volamena. Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka izay ho avy rahatrizay; marina ny nofy, ary tsy misy isalasalan'ny heviny.
