Bokin'i Daniely
Toko faha-3
57 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan'ny Tompo, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.58 Isaory ny Tompo, ry anjelin'ny Tompo, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
59 Isaory ny Tompo, ry lanitra, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
60 Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin'izay rehetra eny ambonin'ny lanitra; derao izy ary ankalazao mandrakizay.
61 Isaory ny Tompo, ry fahefan'ny Tompo, derao izy ary, ankalazao mandrakizay.
