Bokin'i Daniely

Toko faha-3

52 Isaorana hianao, ry Tompo, Andriamanitry ny razanay mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hankalazaina mandrakizay. Isaorana ny anaranao masina sy be voninahitra, mendrika ny fiderana ambony indrindra sy ny fankalazana mandrakizay.

53 Isaorana hianao ao amin'ny tempolin'ny voninahitrao masina mendrika ny dera amam-boninahitra ambony indrindra mandrakizay.

54 Isaorana hianao, ao amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakanao mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

55 Isaorana hianao, izay maninteraka ny hantsana ny fijerinao mipetraka eo ambonin'ny Kerobima, mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

56 Isaorana hianao, eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mendrika ny dera amam-boninahitra mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3104